Efa zava-panaon-dry zalahy ireto mihitsy, ilay mifampitaona tao amin’ity trano rava iray etsy Fiadanana, kaominina Ambohimalaza ity, mba hifoka rongony. Nanaovan’ireo zandary be midina tampoka anefa ilay toerana, ka tra-tehaka, tsy afa-niala intsony izy dimy lahy.
Araka ny loharanom-baovao azo dia mbola nanentoento rongony tao amin’ity toerana ity, tamin’ny fotoana nidinan’ny zandary teny an-toerana, tamin’iny herinandro iny. Ny sasany tamin-dry zalahy ireto aza moa dia tamin’izy mbola teo am-pankafizana ny fitrohana setroka iny no niditra tampoka, tsy nampoizin’izy ireo avy any ireo mpitandro filaminana. Araka ny fanazavana azo tokoa mantsy, raha vao nahare ny fisian’ity trano rava, efa ambohimpihaonan’ireo mpifoka rongony ity tany an-toerana ity ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza dia tsy niandry ela fa tonga avy hatrany. Tazana tokoa ilay toerana ary feno andian-jatovo mivoaka sy miditra. Nitsofohana ka io toe-javatra io no hita tao. Nosamborina avy hatrany tsy nisy alaharo alaharo ireo andian-jatovo tao an-toerana, izay nahatratra teo amin’ny dimy ary nentina natao fanadihadiana tany amin’ny birao. Notanana natao ho porofo kosa ireo ambin-drongony mbola teo am-pelan-tanan’izy ireo. Taorian’ny fakàna am-bavany moa dia natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto andian’olona mpidoroka ireto ary nadoboka am-ponja avy hatrany. Tiana hatrany ny manamarika sy manentana ny rehetra, hoy ny kaomandin’ny tobim-paritra Ambohimalaza fa ny zandary dia tsy handefitra velively amin’ny resaka fandraisana, fifohana ary fitazomana zava-mahadomelina. Fantatra mantsy fa ny fandraisana azy ireny dia anisan’ny fositra iray, mahatonga ny tsy fandriampahalemana. Miantso ny tsirairay ihany koa izy ireo, mba hampilaza avy hatrany ny zandary (0340570072 – tobim-paritra Ambohimalaza) raha mahita tranga mampiahiahy.
m.L