Olon-dratsy raindahiny, ary efa hikoizana sy nampitondra taikitra ireo mponina tany amin’iny distrikan’i Mitsinjo iny no fantatra fa voasambotry ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Fantatr’ireo fokonolona ny fitazomana any tany amin’ny biraon’ireto farany ka nirohatra izy ireo nitaky izany olon-dratsy izany, ho atao fitsarambahoaka. Nisy moa ny fifanantonana sy ny fandaminana ny sain’ireto fokonolona ireto ary niverina nilamina ihany ny toe-draharaha tany an-toerana, araka ny angom-baovao azo. Raha ny fantatra tokoa mantsy dia tsy mandry alina, tsy mandry andro ary miaina tanteraka ao anaty tebiteby ireo mponina any amin’iny distrikan’i Mitsinjo iny. Izany rahateo no mahatonga azy ireo, tofoka ka izao nitaky fitsaram-bahoaka izao. Araka ny nambaran’Atoa Dimasy Edmond, filohana fikambanana mpanao asa soa Manarambitsy (Fimpisoama) any an-toerana dia hoe saika isan’andro, tsy maintsy hahenoana fanafihan-dahalo any an-toerana. Vao ny herinandro vitsy izao no nisy tompon’omby iray, maty notetehin’ny dahalo tao amin’ny kaominina Antseza, fokontany Ambararatabe. Tsy vitan’ny vono olona fa mbola nodoran’ireo dahalo ihany koa ny tranony ary lasa ny ombiny.
« Toy ny amin’ireo faritra rehetra eto Madagasikara, izay nampahazo vahana ny resaka tsy fandriampahalemana dia voakasika ihany koa iny distrika misy anay iny. Efa nisy fotoana manao hetsika manokana tany ireo mpitandro filaminana dia mba miverina nilamina izany » hoy ny solombavambahoaka voafidy tany amin’iny distrika iny, Atoa Randriamisa Nicolas. « Amin’izao anefa, manana olana tamin’ny resaka famokarana ireo vahoaka. Nihena be ny vokatra. Hany ka rehefa tsy misy hohanina intsony ny sasany dia lasa manaotao foana amin’ny fahazoana vola mora, any amin’ny resaka dahalo ». Araka izany, mitairana ny vahoaka ao Mitsinjo ary miantso ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky azy ireo, hoy iry filohan’ny Fimpisoama.
m.L