- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-Divers67 Ha : Lehilahy hita faty tao an-tranony

67 Ha : Lehilahy hita faty tao an-tranony

Efa ho telo andro tsy nisokatra ilay trano izay misy lehilahy mipetraka irery. Efa mahina ihany ny manodidina nahita lalitra teo. Tsy nisy sahy niresaka anefa. Araka ny loharanom-baovao, io olona io irery no ao fa ny fianakaviany any ampita avokoa. Resaka an-telefoanina hatrany no hifandraisan’izy ireo saika isan’andro. Gaga anefa ireo havany, hoy ny vaovao fa tsy azo amin’ny finday mihitsy izy. Izay ry zareo vao nanaitra ny fianakaviana. Tonga teny an-toerana ireto farany nahita ny trano mihidy. Nampilaza tany amin’ny fokontany. Ireto farany indray no nilaza tany amin’ny mpitandro filaminana. Rehefa novahana ny varavarana dia samy taitra avokoa nahita ilay lehilahy 35 taona efa tsy nisy aina intsony ary nanomboka namoaka fofona. Natao ny fizahana ny razana ka tamin’izany no nahafantarana fa, maty irery tao izy. Manana irony aretina diabeta irony izy, ka angamba ankevitr’izany no nahafaty azy. Tsy ampy fanafody. Efa nalefa eny amin’ny tranompaty ny razana. Tamin’ny harivan’ny alarobia no niseho ity fahafatesana ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser