Sendra ny tsy nampoizina ireto mpandeha eny amin’ny faritry ny 67 Ha, tamin’ny alarobia teo. Tamin’ny fotoana nanaovany ny asa rastiny mantsy no nisy polisy nandalo. Nisy ireo noraisim-potsiny. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa, olona enina no voasambotra tamin’izay. Polisy avy ao amin’ny kaomisaria faha-7 sendra nandalo no nahita ny fihetsik’izy ireo. Nisy ny tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny. Henjehana izy ireo noho ny fanendahana, sinto-mahery, harom-paosy. Ny mpiantsena no tena lasibatra amin’izany.
Vetivety ihany dia vory ny mpitandro filaminana ary tsy nisy afaka nandositra intsony ireo Mpisam. Tamin’ireo voasambotra, rehefa natao ny fanadihadiana dia efatra tamin’izy ireo no tsy mbola ampy taona. Avy hatrany dia natolotra ny sampana mpiandraikitra ny zaza tsy ampy taona eny Tsaralalana izy ireo. Ny roa kosa, na dia mbola tanora aza dia nalefa niatrika ny Fampanoavana, ka nampidirina am-ponja vonjimaika. Manerana ny faritra maro, indrindra ny aty afivoan-tanàna, rehefa misy ny hetsika ataon’ny polisy dia mandratra sofina mihitsy ny mahare fa, tanora tsy mbola ampy taona avokoa ireo manao asa fanendahana sy sinto-mahery. Ny eny Analakely moa dia saika isan’andro no andrenesana izany. Misy olona manofana sy maniraka hono, izy ireo. Ny vaovao voaray hatrany no nahafantarana fa, mirotsaka amin’ity fanendahana ity avokoa ireo izay tsy afaka mandeha any na-tsekoly intsony. Etsy andaininy koa anefa, toa mafy loatra ny fahantrana eo anivaon’ny fianakaviana. Maniraka ireo voatavo tsy mifandraka hanao ny tsy tokony hatao izany.
r.s.