Ny alin’ny Alahady tokony ho tamin’ny 8 ora no nahitana ny fatin’ity tovovavy iray sahabo eo amin’ny 18 taona ity teny amoron’ny lalana mankany Manjakaray miala avy aty Amboditsiry iny. Raha vao nandre izany ny lehiben’ny fokontany Amboditsiry dia niantso ny manam-pahefana sy ny mpitadro filaminana. Rehefa nozahana ny razana dia hita fa voaolana io tovovavy io ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Feno fotaka tao anatin’ny vavany sy ny vatany ary niboridana tanteraka izy. Tsy teny aminy intsony ihany koa ny kilaotiny. Tsy fantatra marina izay namono azy fa raha ny filazan’ny reniny dia mety nandeha alina izy satria avy namangy ny rainy teny Amboditsiry izy io hariva io. Marihana moa fa efa nisaraka ny ray sy ny renin’ity tovovavy ity ka handeha hamonjy fodiana eny amin’ny faritra Manjakaray iny izy izao nisy namono izao. Taorian’ny fizahana nataon’ny manam-pahefana sy ny dokotera avy ao amin’ny BMH moa dia nentina nihazo ny tranom-paty eny amin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy-Andrianavalona ny razana. Efa misokatra moa ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.
T.M.
Tsara kokoa ny hoe : Andrasana ny vokatry ny fanadihadiana. Fa tsy tsianjery be hoe efa misokatra ny fanadihadiana…..