Manoloana ny fitarainana maro voarain’ny polisy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany’ny Filaminam-bahoaka etsy Analakely momba momba ireo endrika fisolokiana maro samihafa toy ny fandrebirebena sain’olona amin’ireny vato lazaina fa sarobidy ireny nefa sandoka dia nisy ny hetsika nataon’ny polisy ka nahatrarana ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireo. Tovolahy Ny 22 novambra 2022 lasa teo dia lehilahy iray 34 taona no voasambotra teny Analakely izay nanao asa fisolokiana ka tovovavy mpanatitra entana no lasibatra tamin’izany. Lasan’ity tovolahy ity daholo ny finday sy ny entana tokony hatao “livraison” io 22 novambra io.
Araka ny filazan’ireo efa voan’ireo mpisoloky ireo dia toy izao ny fomba fiasan’ireo jiolahy. Manatona olona izy ary milaza fa vahiny eto Antananarivo ka mangataka torolalana. Vantany vao manaiky hiresaka aminy ny olona iray dia efa manomboka tsy tompon’ny tenany intsony ka manaiky ho azy izay rehetra lazaina.Mandritra izany indrindra no hakan’ireto farany izay entana sarobidy na vola any amin’ireo olona tratrany ka mody atakalony ireo vato lazaina fa vato sarobidy. Miala izy rehefa azony izay izany ka aoriana kelin’izany vao tonga saina ireo niharan’ny fisolokiana. Efa nisy ny fanaraha-maso nataon’ireo polisy ka tratra ity lehilahy 34 taona ity Ary mbola tratra tany aminy ny entan’ity tovovavy ity, mbola nisy karazana vato sandoka ihany koa. Nentina nihazo ny birao avy hatrany ity lehilahy ity ary niaiky fa efa fanaony ity fisolokiana ity. Omaly ihany moa dia efa natolotra ny Fitsarana ity lehilahy ity. Manoloana izao tranga izao, ny polisim-pirenena dia manentana ny olom-pirenena ho mailo hatrany raha mahita olona mampihaiahy indrindra amin’ izao ankatoky ny fety izao.
T.M.