- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversToeram-pitsaboana OMSI Toamasina : Feno ody gasy… hatreny an-tafotrano…

Toeram-pitsaboana OMSI Toamasina : Feno ody gasy… hatreny an-tafotrano…

Malaza eto Toamasina tato ho ato izany ny fampiasana ody gasy ataon’olona eny amin’ireo birao samy hafa, ka isany lasibatra tamin’izany koa ny toeram-pitsaboana ho an’ny sehatra tsy miankina OMSI Toamasina. Raha iverenana ny tantara dia efa nitrangana fampiasana ody gasy anaty birao ihany koa ny tao amin’ny kaominin’i Toamasina tao ho ao izay, ka ny birao miditra ny fiasan’ny ben’ny Tanana no nahitana izany tamin’izay.

Raha iverenana ilay tranga fampiasa ody gasy teo anivon’ny OMSI izay tsy ny birao ihany fa hatreny an-tafotrano mihintsy, dia mahasarika olona maro ny vaovao ao aminy noho izy misahana ny fitsaboana ireo mpiasa sy ny fianakaviany amin’ny sehatra tsy miankina. Araka ny vaovao dia ny talata tolakandro teo tokony tamin’ny 04ora sy sasany, akory ny hagagan’ny mpiasa ao amin’ny OMSI misahana ny elektrika, fa tsy nandeha ny fahitalavitra tao amin’ny “batiment B” misy sampan-tserivisy SST na “Service de Santé de Travail”, sy fanaovana fitsirihana ny toe-pahasalaman’ny mpiasa horaisina hiasa na “visite d’embauche”. Raha nozahana ny olana dia harona sachet telo lehibe izao izay feno fanafody gasy hita tao an-tafotrano. Teo amboalohany dia niheverina fa harona sachet manentsika ilay antenne tao an-tafotrano ilay izy, far aha nojerena dia hagagana ny azy ireo fa fanafody gasy isan-karazany nahitana taolana sy tapakazo mifangaro maro karazana ary soratra telo samihafa hoe “aok’izay Mandresy ary Niriny”.

Niteraka horohoro ho an’ny mpiasa ny fanendrenesana sy ny fahitana izany toe-javatra izany indrindra ireo mpitsabo sy ireo mpitabo mpanampy, izany nilaza mihintsy fa miha-sarotra ny raharaha eo anivon’ny OMSI. Raha ny vaovao azo mantsy dia mandeha tao ho ahy ny fandroahana mpiasa sy fangataham-panazavana ho an’ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitantanana, nefa izay nitrangana fisiana fanafody gasy izao indray izany. Ankilan’izany dia fantatra araka ny zava-misy fa isany mbola miady mafy amin’ny fihazonana azy ho tale jeneraly na efa feno tao hisotro ronono ilay tale jeneraly ankehitriny satria efa feno 60 taona. Tao anatin’izany dia niezaka nanangona Sonia ny mpiasa izy sy ireo mpiara-dia aminy amin’ny fihazonana azy ho tale jeneraly eo anivon’ity toeram-pitsaboana ity, ka izao ny zava-misy eo anivon’ny OMSI ity ankehitriny.

Ankoatra izany dia tsy nifarana hatreo ny raharaha fa tonga teny amin’ny PAC noho filazana fa nisy kolikoly avo lenta tao anatin’izao raharaha izao, ka nahatonga ny PAC tamin’ny alalan’ny kaompanian’ny zandary nanao fanadiadiana ny raharaka teto Toamasina tsy ela akory izay. Ho eo ny tohin’ny raharaha mahakasika ny OMSI ity, fa ny natao aloha dia nakana ireny mpandroaka devoly ireny ny orinasa ny herinandro nivalona iny…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici