- Publicité -
samedi, septembre 12, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Raikitra ny ady amin’ny fampanambadiana aloha loatra ireo ankizivavy

Toliara : Raikitra ny ady amin’ny fampanambadiana aloha loatra ireo ankizivavy

Noho ny fomban-tany mbola mahazo laka, sy ny fitiavam-bola diso tafahoatra ataon’ny ray aman-dreny sasany, manao entam-barotra hivelomana ny ankizivavy, dia hisy androany asabotsy 11 oktobra, manomboka amin’ny efatra ora hariva, ao amin’ny « Jardin de la mer » Amoron-driaka Toliara, ny fampisehoana maimaim-poana harahina fanentanana amin’ny ady amin’ny fampanambadiana ny zazavavy aloha loatra. Tsy handoavam-bola izany ary hiarahana amin’i Stephanie sy ny mpandihiny. Mifototra amin’ny lohahevitra hoe: « Andao hiarake tsy hanenke ty fanambalia aloha loatse », sy ny hoe : « Zaho aloha mbo tsy hanambady » ny hetsika. Tompomarika amin’izao hetsika izao ny Danida (coopération Danoise au développement) sy ny avy ao amin’ny « Marie stoppe Madagascar ».

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser