« Ny sasany aza maniry mafy ny hanana, ny an’ireo nahazo indray ve no nahavitana habibiana », saika izany avokoa no ambetin-tenin’ireo izay nahita ny zava-niseho rehetra. Zazakely vao teraka no hitan’ny olona tany anaty tanimbary, teny Amberivatry Itaosy, omaly maraina. Raha ny vaovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana dia ankizy handeha hilalao teny an-tanimbary no nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anaty harona « sachet » mainty. Niantso ny fokonolona teny amin’ny manodidina avy hatrany ireo ankizy ireo ka rehefa nosavaina ity harona ity dia samy narinkoditra avokoa nahita ny tao anatiny. Fatin-jazakely no tao. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny Sefo fokontany rehefa avy nampilazana, niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana sy mpitsabo, nizaha marina ny zava-misy. Raha ny filazan’ny mpitsabo dia zazakely vao latsaka mihitsy ity hita faty ity, ary vao latsaka ny alin’io nahitana ny razana io, raha ny fizahana natao hatrany. Ankevitry ny nateraka tany amin’ny mangingina tany ity zazalahy kely ity, araka izany. Nofonosina harona « sachet » ary natsipy haingana teny an-tanimbary. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ny amin’izay olona mety ho nahavita izao habibiana tsy roa aman-tany izao.
m.L