Nampiaka-peo ary tonga hatrany amin’ny fitoriana ny fianakavian’ilay lehilahy voalaza fa adala, maty noho ny fitsaram-bahoaka teny Ankazomanga ny 22 septambra lasa teo. Vokatr’izay, olona efatra, voatondro ho isan’ireo nandray anjara tamin’ny famonoana no natolotra ny Fampanoavana ary nalefa avy hatrany any am-ponja, miandry ny fotoam-pitsaràna azy, omaly. Araka ny fantatra, dia raha vao nipetraka ny fitoriana teny anivon’ny zandary dia nanomboka ny fanadihadiana avy hatrany ireto farany. Ka tamin’ny alalan’ny fahitalavitra no nahafahan’ireo mpitandro filaminana nivoy ny fanadihadiana voalohany, ka nahafahana nisambotra ireo olona voarohirohy, vehivavy telo ary lehilahy iray, tamin’ny famonoana ity lehilahy nolazain’ireo mponina teny an-toerana fa adala. Ny zava-niseho ny andron’io fitsaram-bahoaka io, dia voalaza fa norabirabian’ny ankizy izy raha teo am-pividianana mofo. Tezitra tamin’izany ity rangahy ity ary natosiny ireo mpandrambiraby ary dia nianjera ary naratra vokatr’izay. Nahita izany fihetsika izany ireo olona teny an-toerana ka avy hatrany dia nitangorona sy nitaky fitsaram-bahoaka. Raha ny feo nandeha tamin’izany mantsy dia voatondro fa efa mpisetrasetra sy mpamono mpandalo io lehilahy voalaza ho marary saina io. Etsy an-danin’izay anefa, ireo havany, nanantitrantitra fa olona efa manaraka fitsaboana fa tsy toa ireny olona adala mandrongatra sy mamono izay olona hitany ireny akory. Namoy ny ainy vokatry ny daroka sy vono nahazo azy ity rangahy ity ny andron’io.
m.L