Tsy nihetsika intsony ary mbola nisy entana madinidika teo amin’ny manodidina azy. Izay no hitan’ny olona vao maraina tetsy Ambalavao-Isotry, omaly maraina. Ireo mpandeha an-tongotra no nahatsikaritra izany, tokony ho tamin’ny enina ora. Raha ny filazan’ny polisy dia ahiana ho olona tsy manan-kialofana io rangahy izay manodidina ny 40 taona io. Etsy andanin’izay anefa, misy indray ny milaza teo an-toerana fa nisy nanendaka ilay olona afakomaly alina ary dia namoy ny ainy teo. Toe-javatra izay tsy dia neken’ny polisy. « Tsy nisy dian-dratra ilay olona na ny kely aza », raha araka ny fanazavan’ireo. Na izany aza anefa dia tonga teny an-toerana koa ny polisy misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava ary nanokatra ny fandalinana ity raharaha ity. Tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany teo no niala teo an-toerana ny razana rehefa samy nizaha azy ny BMH sy ny polisy izay hisahana ny fanadihadiana. Hatreto dia mizotra any amin’ny fahafatesana noho ny hanohanana ny eritreritr’izay nanaraka ity tranga ity. Noho ny tsy fisian’ny ratra ary koa noho ny fahitàna ireo entany teo amin’ny manodidina dia sarotra ho an’ny mpitandro ny filaminana ny hino fa nialohavan’ny fanendahana ity fahafatesana ity.
D.R