- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosizato : Jiolahy nitam-basy, nanendaka mpandeha tao anaty taxibe

Anosizato : Jiolahy nitam-basy, nanendaka mpandeha tao anaty taxibe

Tamin’ity lalana ity, tao alohaloha tao, no nisehoan’ilay fanafihana mpandeha tao anaty taxibe.

Atoandrobe nanahary, omaly tetsy Anosizato, nirefodrefotra ny basy ! Mpandeha iray tao anaty taxibe no niharan’ny fanafihana nitam-piadiana. Lasa ny sakaosy nisy vola.

Efa tsy misy tahotra intsony ny jiolahy. Toa ireny fizotrana zava-nitranga ao anaty horonantsary ireny mihitsy ny zava-niseho teny Anosizato, tsy lavitry ny orinasan-tserasera iray, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Olona iray tao anaty fiara fitanteram-bahoaka no notilian’ireto olon-dratsy, roalahy, nandeha môtô. Ankevitry ny efa voatsikaritr’ireo jiolahy ireto tany alohaloha ity olona ity. Saingy tsy hitan’izy ireo izay hamelezana azy, raha tsy teo amin’io toerana io. Nony nijanona teo amin’ny fiantsonana iray tsy lavitra intsony ny « rond point »n’Anosizato ilay taxibe no niroso tamin’ny asa ratsiny amin’izay izy ireo. Marihana avy any amin’ny Fasan’ny karàna, hihazo an’Anosizato izany fiara fitateram-bahoaka. Nidina teny ambonin’ny môtô nandehanany ny iray ary niditra avy hatrany tao anatin’ilay taxibe, nandrangaranga ny basy teny an-tanany.  Niandry tety ivelany tamin’io kodiaran-droa io kosa ilay namany, toa hoe nandrahona ilay mpamily tamin’ny fitaovam-piadiana ihany koa. Tsy fantatra mazava intsony izay zava-nitranga tao anatin’ilay taxibe, hoy hatrany ny nanatri-maso fa somary nisy fikorontanana tao anatiny. Heverina fa na ilay olona efa notilian’izy ireo no namaly na nisy tamin’ireo mpandeha no sahy niatrika ity jiolahy. Tamin’izay fotoana izay mantsy no nipoaka ny basy. Nentin’ity farany nampitahorana ireo mpandeha rehetra fa tsy hisalasala hampiasa izany ity farany raha misy miana-kendry eo ny hafa. Niezaka nitsoaka niaraka tamin’ny sakaosy teny am-pelan-tanany moa ity farany ary namonjy avy hatrany ilay namany tamin’ny môtô. Nentin’ny tahotra tamin’izay ihany koa ny mpamily ka niala malaky teo amin’ilay toerana nijanonany. Tao anatin’ny indray mipi-maso avokoa izany fandehan-javatra rehetra izany.

Ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriboritany fahadimy no nanao fisafoana teny an-toerana, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy, ka raha vao nandre ilay feom-basy dia nirohotra avy hatrany teny an-toerana. Tonga nanatevin-daharana tamin’ny fanenjehana sy ny fikarohana ireo mpanafika ny pôlisy avy amin’ny sampana hafa nony avy eo, ary vetivety dia feno pôlisy nivezivezy teo amin’ilay toerana nitrangan’ny fanafihana.  Marihana fa tsy nisy ny naratra, na ny aina nafoy nandritra izany fanafihana izany. Tsy mbola fantatra mazava ihany koa ny totalin’ny vola lasan’ireto olon-dratsy ireto, hoy hatrany ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena. Hatramin’ny omaly hariva, mbola mitohy ny savahao sy ny fikaroham-baovao isan-karazany, hoy hatrany ny fanazavana azo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici