- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAndranotapahana : Nitsoraka tao ambany kamiao dia maty

Andranotapahana : Nitsoraka tao ambany kamiao dia maty

Hatreto dia famonoan-tena no fihevitry ny maro izay nahita ity tranga ity. Omaly tolakandro, tsy nisy nanam-po izay hitranga afaka fotoana fohy ny rehetra. Samy nandeha teny amin’ny lalany, ny fiara eny amin’ny arabe, ny mpandeha an-tongotra eny amin’ny sisin-dàlana. Tampoka teo anefa dia nisy lehilahy izay nihazakazaka tampoka ary nitsoraka tao ambanin’ny kamiao izay nandeha. Teo ihany dia namoy ny ainy izy satria voahitsaka tao ambany tao. Raha ny filazan’izay nahita dia tsy nandeha mafy akory ilay fiara lehibe ary mety ho tsy tsikaritry ny mpamily akory aza ny fisian’ilay olona izay nidina tao ambany kodiarany. Midika izany fa toa efa niandry ny fandalovan’ilay  fiarabe ilay lehilahy ary mety ho efa safidiny rahateo ny kamiao mba hahafaty azy eo noho eo, raha ny fihevitry ny olona hatrany. Dia tanteraka tokoa ny faniriany, raha jerena amin’izay lafiny izay. Olona mipetraka eo amin’ny tanàna manodidina ihany izy satria nisy namany izay nahafantatra azy avy hatrany. Ireo rahateo no nikarakara ny razana mandram-pialany teo. Izany hoe namono lamba fotsy sy ny sisa. Hatramin’ny omaly tolakandro kosa dia tsy mbola fantatra marina izay mety ho antony nanosika ity lehilahy ity ho amin’ny famoizam-po. Na izany aza tsy voalohany no nisy ny olona izay nanapa-kevitra ny namarana ny fiainany amin’ny fomba mitovy amin’izao. Tranga izay lasa miteraka olana ho an’ny mpamily fiarakodia indrindra indrindra. Ny antony dia tsy maintsy misy ny fanadihadiana misokatra ary tazomina ilay olona mandram-pamaritana fa tsy lozam-pifamoivoizana no nitranga. Matetika koa anefa no mifampiraharaha ny havan’ny maty sy ny tompon’ny fiara ary dia vitan’ny fanampiana amin’ny fikarakarana ny razana ny raharaha mba tsy ho lasa lavitra. Mihamitombo ny famonoan-tena ary tokony mba misy manara-maso ny antontan’isa mahakasika izany mba hahafahana mandinika ny firindran’ny fiaraha-monina ankehitriny.       

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici