- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025

Tapatapany

# Ambohibarikely. Lehilahy 42, maty tototry ny tany.

Ny zoma maraina  teo, nahitana fatin’olona mbola tototry ny tany tao Ambohibarikely, kaominina Ambalavao, distrikan’ Atsimondrano. Lehilahy manodidina ny 42 taona teo ho eo ity hita faty ity. Tsy nisy ratra teny aminy. Voalazan’ireo mponina, fa avy nihady tatatra hitarihan-drano izy, no nihotsahan’ny tany ary maty sempotra tao. Tonga teny an-toerana ny mpitsabo sy ny zandary nanao ny fanadihadiana.

#Talatamaty. Jiolahy nanafika tranona mpitsabo miaramila. Nisehoana fanafihan-jiolahy teny Maibahoaka Talatamaty, ny asabotsy hariva lasa teo. Jiolahy telo tsy nitondra fiadiana no niditra tao an-tranona mpitsabo miaramila iray. Volabe no azon’ireo olon-dratsy. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

Nangonin’i m.L

 

# – Andavamamba. Mpiambina voatsindrona antsy. Ny zoma alina tokony ho tamin’ny 8 ora, mpiambina iray miasa eny amin’ny faritr’Andavamamba no nisy nanakana teny an-dàlana ary voatsindrotsindrona antsy. Maratra mafy tokoa ilay lehilahy ary tsy afaka nihetsika sady tsy nahatsiaro tena. Olona sendra nandalo no nahita azy efa nihoson-drà. Voalaza fa handeha haka vola tany amin’ny namany izy izao nisy nanindrona antsy izao.

# – Ambohitrimanjaka. Maty nisotro poizina. Lehilahy 37 taona no fantatra fa namono tena nisotro asidra teny amin’ny faritra Ambohitrimanjaka tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa, resa-pianakaviana no nahatonga azy nanao izao fihetsika izao. Nisy nahita ihany izany zavatra nataony izany ary nentina haingana teny amin’ny hopitaly. Voalaza fa potika ny tao anatiny tao ary dia izany no nitarika ny fahafatesany.

# – Tsiroanomandidy. Tompona omby maty voatifitra. Nisehoana fanafihana dahalo tany amin’ny tanàna Ambatofotsy Bemahatazana any Tsiroanomandidy tamin’ny alakamisy alina tamin’ny 8 ora . Vokany, maty notifirin’ireo mpangalatra ny tompon’omby. Rehefa izany dia nentin’izy ireo ny omby dimy. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

# – Sainte Marie. Maty nokapiny famaky ny vadiny. Raikitra indray ny fifamaliana teo amin’ireto mpivady mipetraka any Sainte Marie. Ny maraina vao fantatry ny olona fa maty nokapain’ilay lehilahy antsy be teo amin’ny tendany ny vadiny. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa matetika no misy fifamaliana eo amin’ireto olona ireto ary efa leo izany ny manodidina. Nihevitra izy ireo fa mbola ohatra ny isan’andro ihany ity tamin’ny zoma ity.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser