Tsy nahita rano nosotroina sy nampiasaina ny mponina. Any amin ireo farihy sy lavadrano manodidina no maka rano ireo ampela. Tranga iray mampitovy ny faritra Androy sy ny renivohitr’Anosy tao anatin’ny fotoana fohy. Fort-Dauphin renivohitra ao anatin’ny fijaliana. Rano maloto sy tsy azo antoka no sotroin’ny monina. Ny manambola mividy »eau vive » any amin’ireo toerama-pivarotana. Amin izao fotoana izao dia mahazo laka ny fividianana rano. Noho ny fahasimban’ ny fantsona no miteraka tsy fahampian’ny herin’ny tosiky ny rano miakatra, ka mitarika tsy fahazoan-drano . Raha ny lojika, tokony hidina ny faktioran’ny rano. Miandry izay higadonany ny mpanjifa. Ahitana an’izany avokoa ireo kartie-11 ao an-toerana. Hatreto tsy mbola fantatra ny mety hiverenan’ny rano. Maro ny fanehoan-kevitra manoloana ity tranga ity ary saika miompana amin’ny tsy fahaizana sy amin’ny tsy fahatokisan’ny vahoaka intsony ny fomba fiasan’ ny Jirama. Manaitra ny fitondrana hery vaovao mba hijery izany fahorian’ny olona izany.
RFa