dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversAntsahamanitra : Fiara nirehitra levon’ny afo

Antsahamanitra : Fiara nirehitra levon’ny afo

Omaly tamin’ny 11 ora sy sasany, nirehitra ny fiara leky marika Peugeot 205 teny Antsahamanitra. Potika tsy nisy azo noraisina intsony ilay izy. Ny mpamily no tao anatiny ary afaka nivoaka soa aman-tsara izy , tsy naratra. Ireo izay nahita ny fisehoan’ny loza no nitantara fa tsy fantatra ny nahatonga ny afo. Efa nidonaka ny setroka vao taitra ingahy mpamily. Vetivety, nitangorona ny olona. Samy nanome tànana tamin’ny famonoana ny afo. Efa nahazo laka anefa izany ka sarotra tokoa ny nifehy azy. Tsy maintsy niantsoana mpamonjy voina avy ao Tsaralalàna. Fiara lehibe nitondra rano no tonga teo. Tsy nahafehy ny firehetana anefa izany. Tsy maintsy niantso fiara iray hafa indray. Roa araka izany ireo fiara avy ao Tsaralalàna no tonga teny vao maty ilay afo. Araka ny efa voalaza, potika tanteraka io fiara kely io. Naharitra adiny iray no namonoana ny afo vao voafehy tanteraka izany.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser