Jiolahy folo nirongo kalaky no niditra an-keriny tao amina mpivarotra teny Ambatofamamba, kaominina Mahitsy, distrikan’ Ambohidratrimo, ny asabotsy alina teo. Lehilahy iray, mpivarotra tao amin’io trano io maty voatifitr’ireo jiolahy, raha mpiandry fonja misotra ronono iray kosa no naratra mafy vokatry ny tifitra nahazo azy. Raha ny fantatra dia tamin’ny 11ora sy sasany tany ho any no nisehoan’ny fanafihana. Niditra an-keriny tao amin’ity tokantrano ity ireo jiolahy ary nanambana basy avy hatrany ny tompon-trano, nitaky ny vola. Saika hiantso vonjeo teny am-bavaravarankely ity rangahy iray 42 taona, no notsenain’ny balan’ireo jiolahy. Voa teo amin’ny tratrany io rangahy io ary nivoaka teo amin’ny tendany. Ny am-pitson’ny fanafihana kosa vao namoy ny ainy teny amin’ny hôpitaly ity rangahy ity. Naratra vokatry ny tifitra nahazo koa ilay mpiandy fonja 62 taona. Naterina avy hatrany teny amin’ny tobim-pitsaboana ireo naratra ireo taorian’ny fanafihana. Ny marainan’io kosa vao nahazo antso ny amin’ny fisian’izay fanafihana izay ny mpitandro filaminana, izay tonga avy hatrany teny an-toerana. Efa nadio ela kosa ny rano nitàn’ireo jiolahy niaraka tamin’ireo vola sy fahana finday maromaro, ary firavaka volamena betsabetsaka ihany. Mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadiahadiana.
m.L