Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo, jiolahy maromaro no niditra an-kerina tao amina tokantrano iray teny Mahatazana, fokontany Manantenasoa, kaominina Ambohimangakely. Tsy nihanona tamin’ny fangalarana ireo akoholahy mpiady 20 ireo jiolahy ireto, fa mbola nanolana ny tovovavy iray tao an-trano. Raha ny vaovao voaray dia tsy nisy afa-tsy ankizy telo no tao amin’ity trano nisy efitra roa ity. Tovolahy 19 taona ny zokiny indrindra niaraka tamina ankizilahy 14 taona sy ankizivavy 17 taona, tao amin’ny efitra fatoriana. Ankevitry ny fantatr’ireto olon-dratsy ireto, fa tsy nisy olon-dehibe tao an-trano ka niditra amboletra, rehefa avy nanapitsoka ny varavaran-kely izy ireo. Avy hatrany dia namantana tao amin’ny efitranno fatorian’ireto ankizy ary nanampina ny vavan’izy ireo. Niharan’ny fanolanana faobe kosa ilay ankizivavy tamin’izy ireo, raha ny loharom-baovao hatrany. Araka ny fantatra hatrany dia nirongo sabatra ireto olon-dratsy ireto, nampitahorany an’ireo ankizy izay tsy sahy nikofoka. Rehefa vita ny filan-dratsiny dia nitsoaka niaraka tamin’ny akoholahy mpiady 20 teo ho eo izy ireo. An-tapitrisany maro no teti-bidin’ireto biby ireto. Mahatratra hatrany amin’ny 300.000ar ka hatramin’ny 600.000ar no vidin’ akoho mpiady iray mantsy ary mety hahazoana hatramin’ny 3 tapitrisa ariary mahery izany rehefa entina hampiadiana. Efa eo am-pelantan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.
m.L