Mikorontana tanteraka ny eo anivon’ny Instat amin’izao. Mizara roa ireo mpiasa, izay mivondrona ao anatin’ny sendika vitsivitsy, eo anivon’izany sampan-draharaham-panjakana miandraikitra ny antontan’isa izany, taorian’ilay raharaha nitakiana ny fialàn’ny tale jeneraly iny. Misy ireo manohana ireo mpitantana ary misy ireo mitaky ny hanesorana azy tsy misy hatak’andro. Omaly, nisy ny fivoriana nataon’ny sendika iray « ivondronan’ny mpiasa rehetra ». Nanaovana jery todika ireo fangatahana maro izay mbola eo andalan’ny fifampiresahana amin’ireo mpitantana. Milaza ny ho vonona hiara-hiasa tanteraka amin’ireo mpiasa ity sendika ity ary vonona ny hiaro ny zon’izy ireo. Tsy izay anefa ny zava-misy, raha ny filazan’ny sendika hafa indray, izay hivondronan’ireo mpiasa ao amin’ny « droit privé ». Ireto farany moa izay mitaky ny hanesorana tsy misy atak’andro, ny mpitantana amin’izao ary miandry fatratra izany ao anaty filankevitry ny ministra. Toe-javatra izay nitranga taorian’ny fanesoran’ity tale jeneraly ity ny mpiasa niisa 13 teo anivon’ny Instat. Voalaza fa niharan’ny antsojay mantsy izy ireo ary tsy voahaja ny zony. Nisy ny fitoriana napetraka ka mbola eo am-piandrasana ny tohin’izay ireto farany.
Nangonin’i m.L