- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Mpanendaka maro voasambotry ny polisy manao fanamiana sivily

Anosibe : Mpanendaka maro voasambotry ny polisy manao fanamiana sivily

Mora kokoa ny mamantatra ny olon-dratsy rehefa mifangaro amin’ny fiarahamonina ny mpitandro ny filaminana. Mbola voaporofo indray izany tetsy Anosibe rehefa sarona teo am-panatontosana fanendahana ireo olon-dratsy. « Mian-dahy sy miam-bavy ireo mpangarom-paosy na mpanendaka izay voasambotra. Ny polisy izay avy eo anivon’ny SAG no tompon’antoka tamin’ny fanaraha-maso sy ny fidinana an-tsehatra », raha araka ny sampan-draharahan’ny serasera eo anivon’io vondrona io. Tao anatin’ny iray andro monja no nahazoana ireo dimy mianadahy ireo. Raha fanendahana no nataon’ireo telo lahy, ireo vehivavy kosa dia sarona teo am-pangaromana paosin’olona mpiantsena. Mahomby hatrany ny asa mangina ataon’ireo polisy manao fanamiana sivily eto an-drenivohitra. Tsy ampoizin’ny mpanao ratsy ny fisian’izy ireo, indrindra eny amin’ny toerana be olona. Mila haparitaka hatrany izy ireny eny amin’ny boriborin-tany maro eto an-drenivohitra, indrindra amin’izao vaninandro fety izao.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici