dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversAntananarivo : Olona dimy narary an-dàlana

Antananarivo : Olona dimy narary an-dàlana

Zavatra tsy dia mbola fahita eto an-drenivohitra izay niseho omaly. Araka ny loharaom-baovao voaray teo anivon’ny mpamonjy voina, olona hatrany amin’ny dimy no indray nila famonjena ary tsy maintsy naterina haingana tany amin’ny trano fitsaboana. Voalaza fa narary teny an-dàlana avokoa izy ireo. Lehilahy ny ankamaroany. Izay fototr’aretina aloha tsy fantatra mazava. Ny maraina, olona roa no nila vonjy. Ny hariva, olona roa hafa koa no tsy maintsy nalaina teny amoron-dàlana. Ny fahadimy moa hita nivalampatra teny Ampasampito. Tsy mba nisy namonjy izy io. Nojeren’ny mpandalo fotsiny dia nianjadian’ny orana teo. Ao ireo nihevitra fa mamo  izy. Faritra vitsivitsy no nisy ireo marary ireo : Isotry, Ambondrona, Fasan’ny Karana, Ivandry ary Ampasampito araka ny efa voalaza tetsy ambony.

Loharanom-baovao hafa no ahafahana milaza fa vokatry ny aretina sy ny hanoanana avokoa no namparary azy dimy ireo.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser