- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFikambanana “Fagnako” : Misy misoloky ny anaran’ny fikambanana…

Fikambanana “Fagnako” : Misy misoloky ny anaran’ny fikambanana…

Nivoaka tao anatin’ny fahanginany ny fikambanana “Fagnako”, ka niantso mpanao gazety tao amin’ny Alia Hotel Mangarano faha-02. Nandritra izany no nilazan’izy ireo fa velona sy miaina ary mbola tena mijoro ny fikambanana amin’ny fiarovana ireo vahoaka amin’ny raharaha tany ao Belambo Androrangavola. Ny zava-misy ankehitriny anefa dia misy misandoka ny fikambanana; misy ireo andian’olona mampiasa ny anaran’ny fikambanana mba entiny misoloky olona momba ny resaka tany eo Belambo. Manaratsy endrika ny fikambanana ireo mpisandoka ireo, nefa olona tsy manana andraikitra ao anatin’ny fikambanana. Ny olana anefa dia maka vola aman’olona momba ny resaka tany ao Belambo izy ireo, hoy ny filohan’ny fikambanana “fagnako” Atoa Randriamifidy Fanja. Miantso ireo vahoaka ity filohan’ny “fagnako” ity, mba tsy ho voafitaka an’ireo misandoka maka volabe ireo. Nambara nandritra ity fiantsoana mpanao gazety nataon’ny fikambanana “fagnako” ity, dia nampahafantarina ny be sy ny maro ireo mpitarika ny fakambanana tena izy sy ara-dalana. Niavaka koa ity fiantsoana mpanao gazety nataon’izy ireo ity fa niatrika izany koa ny tangalamena Atoa Todilahy ao amin’ity Belambo Androrangavola ity. Ankoatra izany dia nilaza ny filoha lefitry ny fikambanaan “fagnako” ity fa ny taona 2017 no efa nandresy momba ilay tany ao Balambo izy ireo. Ny 07 septambra 2022 kosa no nivoaka ny didy sy ny datin’ny 29 novambra 2022, no nahazo ny didim-pitsarana izy ireo izay nanome rariny vahoaka ao Belambo. Miandry ny fiverenan’izy ireo amin’ny voalaza fa azony noho didim-pitsarana ny rehetra amin’izao, satria miverina amin’ny tany vahoaka.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici