Namono olona indray ny lozam-pifamoivoizana. Tetsy Amoronakona By-pass, nisy alika nanapaka tampoka ny kodiaran-droa scooter izay tsy afa-niala ilay biby intsony. Vokatr’izany dia nianjera ny mpitaingina moto ary iny no fahavoazana be izay nitarika ny fahafatesany. Ilay biby koa dia maty tao anatin’ny fifandomana. Mbola ao anatin’ny risika ho an’ny mpandeha moto ny tranga toa izao ary ny tena olana dia tsy azo vinavinaina hatrany izany. Afaka hita avy lavitra ihany indraindray ny alika manapaka lalana saingy tsy ho zary afaka ny hizara marobe ny maso izay mbola mijery koa ny zava-misy rehetra eo amin’ny arabe. Tsy hita izay omena tsiny rehefa ohatr’izao. Mety ho ny tompon’ny alika no azo enjehina kanefa ve izy hipoitra ao anatin’ny olana koa? Mety koa anefa ho alika mirenireny tsy misy tompony ilay biby. Tonga teny an-toerana ihany ny mpitandro ny filaminana ary niezaka nanadihady nefa inona moa no azo andrandraina be amin’izany?
D.R