Raha ny loharanom-baovao marim-pototra dia hotsaraina ny alakamisy 4 desambra ho avy izao, ao amin’ny fitsarana ady heloka bevava ao Toliara, ireo olona enina notanana am-ponja vonjimaika voarohirohy tamin’ny famonoana mpivady teratany frantsay tamin’ny fomba feno habibiana, dia i Gérald Fontaine sy Johanna Delahaye, tao Andaboy Toliara, ny 15 aprily 2012. Tsiahivina fa hita teny amin’ny tora-pasika Andaboly ny fatin’i Johanna bevohoka, tany Belomanda Manombo, 57 km avaratry ny tanànan’i Toliara, tao anaty ala honko, kosa ny nofo mangatsiakan’i Gérald vadiny. Taorian’ny nahitana ny finday « Iphone » an’ny maty, niampy « carte bancaire » sy fitaovan’ny moto « quad » nentin’ilay vazaha maty, tamina raim-pianakaviana iray monina any Ankililoaka, 70 km avaratr’i Toliara, no niaingan’ny fikarohana ireo olon-dratsy. Roa taona sy tapany aty aorian’ity vono olona nahatsiravina ity vao raikitra ny fitsarana an’ireo voarohirohy.
Manitrisa
Toliara : Amin’ny 4 desambra ny fitsarana ireo namono vazaha mpivady
Articles qui pourraient vous intéresser