Bisikileta iray no lasan’ireo jiolahy ary izany no namonoany lehilahy avy nivavaka teny Ampitatafika, tamin’ny alahady lasa teo. Novelesin’izy ireo tamin’ny hidintrano teo amin’ny hatony ilay raim-pianakaviana. Nijininika ny rà ary tsy nahatsiaro teny ilay voavely. Noezahiny nentina tany amin’ny trano fitsaboana nefa tsy tana ny ainy. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa tsy nisy olona tao amin’ilay trano tamin’ny fotoana nahatongavan’ny jiolahy. Tampoka ihany anefa ny nahatongavan’ireo olon-dratsy. Raha nahita izany ireo mpangalatra dia nively azy. Ny zanaka vavin’ilay rangahy no nahita azy efa nihoson-drà. Nandeha nilaza ny hitany tany amin’ny mpiara-mivavaka izy. Tonga teny amin’ilay trano ny rehetra. Natao ny famonjena azy. Tsy ela fa voa tonga teny amin’ny trano fitsaboana ilay olona dia maty. Tetsy andainy, nilazana ny mpitandro filaminanan teny an-toerana. Avy hatrany dia natao ny fikarohana an’ireo heverina fa nahavanona ny famonoana. Hatramin’izao, tsy mbola misy ny voasambotra.
r.s.