- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversOlona telo naratra, vehivavy iray torana

Olona telo naratra, vehivavy iray torana

Ambonin’ny zavatra simba tao an-tranon’Atoa Ravalomanana, toy ny vavahady sy ny varavaram-pitaratra, tamin’ny fisamborana narahina herisetra nihatra taminy, omaly dia nisy tamin’ireo olona tonga teny Faravohitra no naratra. Araka ny fantatra hatreto dia miisa telo izy ireo ka lehilahy ny roa ary vehivavy kosa ny iray. Teo anatrehan’ny zava-nitranga teny an-toerana ihany koa dia ramatoa iray no torana. Raha ny resaka nandeha teny an-toerana sy ny tsaho nandeha dia voalaza fa voan’ny balan’ireo mpitandro filaminana, nitifitra sy namoha ilay vavahady vy. Raha ny fantatra anefa, araka ny vaovao voaray dia noho ny fifanosehana teo am-pandosirana ireo baomba nandatsa-dranomaso no antony nahatonga ny faharatràna teo amin’ireo olona telo ireo. Nisy ny voa teo amin’ny tanany, nisy ihany koa teo amin’ny tongony. Nalefa haingana teny amin’ny tobim-pahasalama, iny folak’andro iny ireto olona naratra ireto. Fantatra ihany koa fa taorian’ny fisamborana dia vehivavy iray no tsy nahatana ny fihetsem-pony intsony ka torana tao anaty vahoaka tao. Nifamonjena teo noho eo ihany ity ramatoa ity ka avotra soa aman-tsara.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser