Lasa miverimberina tato ho ato eo amin’ny tambajotra sosialy Facebook ny fampiasàna sarin’olona taloha na sary Ntaolo ary izany dia entina ampiomehezana. Arahina teny kely izany matetika izay zavatra tsy mitombina velively. « Izy no vehivavy/lehilahy gasy voalohany niteny an’izao …», raha araka ny hita amin’ireo fizaràna amin’ny tambajotra. Avy eo miovaova ny tohin’io fehezanteny io ary izany dia entina hampiomehezana saingy kosa miendrika faniratsiràna tanteraka. Maniratsira satria manana ny taranany ireo olona izay zarazaraina tsy nisy fieràna amin’ny havany ny sarany. Torak’izany koa, feno lainga satria tsy misy porofo na raki-tahiry akory mba manazava fa tena ilay olona amin’ny sary tokoa no niteny ilay zavatra nozaraina. Ao anatin’izany dia betsaka tokoa ny miomehy ary faly sy mandefa ny eritreriny ao anaty « commentaire ». Betsaka koa ny tohina na dia tsy niteny aza. Ny an’ny zandary kosa dia tsy nihodinkondina izy ireo nanazava ny heviny sy ny tsy fandalany ny zava-mitranga. « Tsy ampy fialam-boly ve? Tsy ampy fananaran’ny ray aman-dreny ve? Tsy niraharaha fampianarana ve? Tsy mendrika ny ho razambenao ve izy ireny? Sa nahamenatra anao ny nahariany anao? », raha araka ny hita tamin’ny fizaràna tamin’ny Facebook teo amin’ny pejin’ny zandary ao amin’ny vondrom-pileovam-paritra Vakinankaratra. Mbola niendrika fananarana aloha ny votoatin’ny fanazavan-kevitry ny zandary fa hita kosa fa hiditra amin’ny fampiharana amin’ny lalàna izy ireo raha mbola mitohy ny faniratsiràna. Tsy ny lalàna mahakasika izany rahateo no tsy misy. Ohatra fotsiny, na efa namoy ny ainy aza ny olona iray dia mbola raràna ny fanimbazimbana azy (atteinte à la mémoire des morts). Indraindray dia mivoana tanteraka ny fampiasàna tambajotra sosialy eto amintsika. Ankoatra ny fisian’ny « fako » izay efa an’arivony maro mba manohana politika dia eo koa ireo izay eo no fitaovana iray fanehoana ny hasosorany amin’ny fiainana. Ny sasany indray dia eo koa no mizara ny pitsony rehetra amin’ny fiainany. Na misakafo na mahazo akanjo vaovao na mba mitaingina fiara dia alefa eo avokoa. Betsaka ireo lasa miankin-doha tanteraka ary rehefa tsy hita intsony izay alefa eo dia lasa mivoana amin’izay satria efa be mpanaraka be. Na izany aza, ao koa no tena ahitàna ny fitotongàn’ny fanabeazana eto amintsika ary ny tena mampanahy aza dia vao mainka manafaingana ilay fitotonganana ny tambajotra sosialy satria lasa ao ny maro no maka fahalalàna.
D.R