Tsy nisy fampisehoana taratasy fisamborana avy amin’ny fitsarana. Torak’izany ihany koa ny fahafahana misava ny tranony. Nefa dia miaramila mirongo basy avy hatrany no tonga ary nampiseho ny…fahaiza-manaony. Notifirina basy ny vavahady ary torak’izany ihany koa ny varavarana farany mankao amin’ny efitra nisy an-dRavalomanana. Teo dia nentina nivoaka izy ary raha ny vaovao ôfisialy dia nihazo ny Toby Ratsimandrava ny fiara tsy mataho-dàlana nitondra azy. Nisy feo hafa koa anefa nilaza fa nivadika fiara izy dia nihazo an’iny lalam-pirenena voalohany iny, mihazo an’Arivonimamo. Mbola tsy voamarina kosa ny momba an’io, satria ny tompon’andraikitra nanontaniana dia tsy naneho ny heviny loatra. Ny tsy fampisehoana ireo antontan-taratasy rehetra, eny fa na dia nilaza aza ny fitondrana fa ho fiarovana ny ainy no anton’ny « nisamborana » azy tao an-tranony, dia miendrika fa nalaina an-keriny ny Filoha teo aloha, raha araka ny mpahay lalàna iray nanontanianay. Nidirana an-keriny ny tranony (violation de domicile) ary koa fakàna an-keriny (séquestration). Ireo ara-teknika no fijerin’ny mpahay lalàna iray izay nanontaniany ny zava-nitranga omaly.
D.R