- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahajanga : Orinasa mpanao sigara nirehitra

Mahajanga : Orinasa mpanao sigara nirehitra

Tamin’ny telo ora maraina atoandro no nanomboka ny afo omaly. Ny tapak’andro maraina tontolo dia mbola tazana teo amin’ny kartie Manjarisoa ny mpamono afo nanao ny asany. Orinasa lehibe izay mpanodina ny voly paraky sy mpamatsy ny akora fanamboarana sigara no nirehitra raha araka ny fanamarinam-baovao izay natao. Niainga tao amin’ny efitrano fitahirizana ny akora ny afo ary vetivety dia nahazo vahana. Iaraha-mahalala rahateo fa ravina maina no kirakiraina ary tehirizina ao amin’ireny karazana orinasa moanao paraky sy sigara ireny. Saika kila tanteraka ny toerana raha tsy nanana ny fotodrafitrasa entina miady amin’ny afo. Niasa avy hatrany izany ary tsy nampihitatra ny firehetana aloha. Tonga ihany koa ny mpamonjy voina ary dia nanomboka voafehy ny afo. Tsy nisy ny aina nafoy na koa ny faharatràna. Ny entana izay tao anaty fitahirizana no nisy ampahany betsaka may. Iny maraim-be iny ihany dia efa nidina nijery ifotony ny manam-pahefana tao an-toerana, toa ny governoram-paritra. Isan’ny nomarihany fa raha tsy nisy fotodrafitrasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena mba hiadivana amin’ny afo ity orinasa ity dia azo inoana fa kila tanteraka. Izany koa dia nentiny nandrisika ny orinasa sasany mba hanaraka tsara ny fepetra sy ny fenitra toa izany mba hialàna amin’ny loza na koa hanamaivana an’izany.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici