- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVavatenina : Trano 11 tafo may kila forehitra

Vavatenina : Trano 11 tafo may kila forehitra

Tsy nanadino ireo tra-boina vokatry ny haitrano mahatsiravina niseho tao Vavatenina, ireo tompon’andraikitram-panjakana, notarihin’ny Goverinoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Randriamanantena Marcellin, niaraka tamin’ny Solombavambahiaka voafidy tao Vavatenina, ireo avy amin’ny BNGRC sy Fitalevam-paritra ny Mponina aty Analanjirofo.

Ny andron’ny zoma lasa teo tokoa mantsy dia nisehoana hain-trano goavana tao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Vavatenina. Tsy fantatra mazava izay tena fototry ny afo. Efa nijoalajoala vao samy nikoropaka ny rehetra nanao izay hifehezana sy hamonoana izany. Na izany aza anefa, fantatra fa trano miisa teo amin’ny 11 tafo teo ho eo no levon’ny afo mpandrava ary fianakaviana am-polony mahery no tsy nanan-kialofana.

Tsy nitazam-potsiny fa raha vao nahare ny loza nihatra ireo solon-tenam-panjakana dia tonga nidododo, nampahery ireto tra-boina ary nitondra izay voatsirambin’ny tanan’izy ireo, entina hanampiana azy ireo. Kojakoja ilaina amin’ny andavanandro no natolotra ireto tsy manan-kialofana toy ny vary, izay nahitàna vary 11 lasaka, menaka 22 tavoahangy, tsaramaso 50kg, seau miisa 36 ary kojakojan-dakozia maro, seau, « gobelet », « cocotte », « jericane », koveta ary kahie ho an’ny mpianatra. Nisy ihany koa ny lelavola natolotra azy ireo. « Mivavaka hoan’izy ireo ihany koa isika sady manentana izay tsara sitrapo rehetra mba hanampy azy ireo satria tsy mora ny manjo azy ireo amin’izao fety izao » hoy hatrany ny fanazavana azo.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici