- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOniversiten’i Toamasina : Androany ny farany hijanonan’ireo mpianatra anaty Campus…

Oniversiten’i Toamasina : Androany ny farany hijanonan’ireo mpianatra anaty Campus…

Nanomboka ny 22 desambra teo dia nisy ny fanambarana navoakan’ny “service des oeuvres” eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina. Milaza ilay fanambarana fa mikisaka avokoa ireo mpianatra ao anatin’ny “campus”-n’ny Oniversite, fa hisy ny fanamboarana sy fanarenana ireo foto-drafitrasa noho ny fahasimbany, satria nanao an-kisisika sy an-tsokosoko ny mpianatra niditra tao anatiny ny taona 2017. Hany ka lasa tafiditra ao amin’ny “campus” avokoa ny olon-drehetra, eny fa hatramin’ny mpiompy akoho fakana nofo sy atody.

Mitaraina ireo mpianatra mifanakaiky amin’ity efitrano fatorian’ny mpianatra ahitana fahasimbana mila amboarina ity, fa misy ny mandefa hira mafy sy manao ny fiadanana ao anaty efitrano, ka manelingelina ireo tena mpianatra. Nambaran’ny talen’ny “service des oeuvres” fa misy mivarotra zava-mahadomelina mihintsy ao amin’ity “campus” misavoritana nidirana an-keriny ity, ka mila alamina ny mikasika izany amin’izao fanakisahana vetivety ny mpianatra izao. Voalaza ary fa nanomboka ny 23 desambra teo ny tokony hikisahan’ireo mpianatra aloha ahafahana manao ny fanarenana, ka mifarana izany ny 03 janoary 2023. Tao anatin’izay anefa dia efa maro ny “fiche des logements” namidy tamin’ireo mpianatra ahafahany mangataka ny tranon’ny mpianatra amin’ny fiverenany, satria tsy marina ny feo ahely fa tsy ho tafaverina anaty trano intsony ireo noesorina, fa izay mahafeno fepetra rehetra izany hoe ireo tena mpianatra dia tsy maintsy ahazo efitrano avokoa amin’ny fiverenany. Fanapahan-kevitra niraisana avy amin’ny mpianatra – mpampiantra – mpandraharaha eo anivon’ny oniversite Barikadimy no nakana izao fanapahan-kevitra ireo.

Ankoatra izany raha ny fanapahan-kevitry ny oniversiten’i Toamasina dia hanomboka ny 04 janoary dia tsy tokony hisy mpianatra intsony ao Barikadimy, ary manomboka eo ny fanamboarana ireo fahasimbana. Nambaran’Atoa Randrialahamady Solo talen’ny “des oeuvres de l’Université de Toamasina”, fa atao fanao isan-taona amin’ny fotoan’ny fialan-tsasatra amin’ny fahavitany ny taom-pianarana ny tahaka izao, mba hananana “campus” oniversitera ara-dalana sy madio.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici