- Publicité SW45 -
jeudi, janvier 23, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : « Vazaha voaendaka nojerem-potsiny », nolavin’ny polisy ny fisian’izany

Analakely : « Vazaha voaendaka nojerem-potsiny », nolavin’ny polisy ny fisian’izany

Niely faran’izay haingana tamin’ny tambajotra sosialy facebook ny fizaran’ny olona ny fisian’ny herisetra izay nanjo ny vehivavy malagasy sy ny vadiny izay teratany vahiny. Isan’ny nohazavaina tao anatin’izany ny hoe nitazam-potsiny ny polisy mpiana-draharaha ary tsy nisy afa-tsy ny mpiambina ny banky iray teo Andohananalakely no mba sahy  nanenjika ireo olon-dratsy. Raha nanontaniana ny momba izany ny komisaria izay miandraikitra ny filaminam-bahoaka eo amin’ny boriborin-tany voalohany dia nilaza mazava fa fanosoram-potaka izany. “Eo ampovoan’Antananarivo no voalaza ho nitranga ilay herisetra. Nanao ny fanadihadiana rehetra izahay ary niandry ihany koa sao mba hisy fitarainana nipetraka. Tsy nisy izany ary aminay dia tsy mitombina iny voalaza ho vaovao iny fa miendrika fanosoram-potaka ny polisy fotsiny ihany”, raha araka ny fanazavan’ny polisy miandraikitra iny faritra iny. Na ny lehiben’io farany aza dia nanontany momba izany koa ary dia tsy maintsy nanaovana tatitra nanazava fa tsaho ilay niely, raha araka ny fanazavany hatrany. Notohizany fa ny polisy mpiana-draharaha dia tsy maintsy misy lehibeny izay miaraka aminy eo amin’ny manodidina eo. Afaka miditra an-tsehatra avy hatrany izy ireo raha toa ka tranga tsotsotra izay tsy ilaina fitaovam-piadiana, ary izany dia eo ambany mason’ny mpiandraikitra azy ireo. Mizara roa arak’izany ny fanehoan-kevitra momba ity voalaza ho zava-nitranga teo Andohananalakely ity. Ny nizara ny vaovao dia nanazava fa tsy nihetsika akory ny polisy mpiana-draharaha raha mba nampahafantarina ny fisian’ny fanendahana ary mbola nanao valy boraingina aza. Ny ankilany, ny lehiben’ny polisy indray dia nanamafy fa tsy maintsy henony raha nisy izany teo amin’ny boriborin-tany izay iadidiany. “Ny fanamarinana rehetra natao dia tsy nisy nanamarika io tranga io ary tsy mba nisy fitarainana tonga ihany koa”, hoy hatrany ny polisy. Io farany dia mangataka ny hanokafan’ny “cybercriminalité” fanadihadiana satria aminy dia miendrika fanaratsiana sy fanosoram-potaka iny niely tamin’ny facebook iny.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici