- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadindratombo : Mpitondra môtô maty voadonan’ny kamiao

Ankadindratombo : Mpitondra môtô maty voadonan’ny kamiao

lozaNijininika indray ny rà teny amin’iny faritra Ankadindratombo iny, omaly folak’andro, tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tany ho any. Rangahy iray mpitondra môtô, manodidina ny 50 taona teo ho eo no maty voadonan’ny fiarabe. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa, tsy nahita ilay fiarabe nifanena taminy ity rangahy teny ambon’ny scooter nentiny. Mafy ihany ny dona nahazo azy ka nampipitika azy teo ambon’ity  kodiaran-droa ity. Voa mafy teo amin’ny lohany ilay lehilahy raha ny fantatra hatrany ary tsy nahatsiaro tena. Avy hatrany dia nentina haingana teny amin’ny Hjra ity rangahy voadona ity, kanefa noho ny fahaverezan-drà be loatra dia tsy tana intsony ny ainy. Tsy nisy nahafantatra teny an-toerana ihany koa ity lehilahy ity raha ny vaovao voaray hatrany, ary tsy nisy taratasy nahafahana nafantarana ny momba azy teny aminy, raha ny fantatra hatrany. Nafindra ao amin’ny tranom-patin’ity tobim-pahasalamana ity ny razana amin’izao fotoana izao, miandry izay mety ho olona mahafantatra azy na ireo fianakaviany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser