- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSoanierana : Ankizy 5 taona very tany am-pianarana, hita teny Anosizato

Soanierana : Ankizy 5 taona very tany am-pianarana, hita teny Anosizato

Mampametram-panontaniana ny mikasika ny fiarovana ireo mpianatra kely eo anatrehan’ny trangana hala-jaza, misy amin’izao fotoana izao etsy sy eroa. Raha ny zava-niseho ny talata 7 oktobra teo mantsy, andro fidiran’ny mpianatra mihitsy, tao amina sekolim-pinoana iray tetsy Soanierana. Ankizilahy kely iray 5 taona no tsy hita izay nalehany raha handeha haka azy ny hariva ny reniny. Voalazan’ity farany fa fitsipika ao amin’ilay sekoly ny tsy maintsy fananan’ireo mpaka mpianatra karatra. Raha nanontanian’ity renim-pianakaviana anefa ilay sekoly, dia nilaza fa nisy olona natokisan’ity renin’ity zaza ity naka io ankizy io ny antoandro. Olona izay voalazan’ity ramatoa ity fa tsy fantany, kanefa dia nanana ilay karatra fakàna mpianatra. Rehefa tonga hatreny amin’ny mpitandro filaminana ny raharaha dia fantatra ny ampitson’iny fa, nisy nanatitra teny Isotry io zaza io ny hariva, rehefa avy nirenireny teny Anosizato. Nandray an-tànana azy tsara kosa ity toerana nanaterana azy ity raha ny voalazan’ny renin’ity zaza ity hatrany. Nambarany ihany koa fa salama tsara ilay zaza nony ny hita. Na izany aza anefa, mitaraina ihany ity renim-pianakaviana ity ny amin’ny fandraisan’andraikitr’ilay sekoly manoloana ny tranga toa izao. Raha ny fantatra ihany koa mantsy, araka ny fitantaran’ny renin’ity zaza ity hatrany dia tsy nanaiky ny hiverenan’ity zaza ity ao amin’ilay sekoly intsony ny tompon’andraikitra. Efa mianatra amina sekoly hafa kosa ilay zaza amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ity renim-pianakaviana ity hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser