- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Ankizivavy nizara telo, voahosin’ny lamasinina

Manjakandriana : Ankizivavy nizara telo, voahosin’ny lamasinina

Hatramin’ny ora nanoratanay omaly hariva, mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hôpitaly Manjakandriana ity ankizivavy kely 10 taona, voahitsaky ny fiaran-dalam-by teny an-toerana. Tapaka nizara telo tanteraka ny vatany.  Loza mahatsiravina no nitranga teo Fiadanana, Manjakandriana, omaly hariva tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any. Ankizivavy iray mponina eny an-toerana, raha iny nanaraka ny sisin’arabe iny, no nianjera tany amin’ny faritra nisy ny lalam-by. Tamin’izay fotoana izay indrindra ihany koa anefa no nisy lamasinina nandalo, handeha hihazo an’Antananarivo. Avy hatrany dia tany ambany ny kodiaram-by ilay zaza no niantefa. Voatetin’ny kodiarana ny vatany ary tapaka nizara roa, teo amin’ny maojany. Nipitika niala ny vatany mihitsy araka izany ny tongony anankiroa. Araka ny angom-baovao azo dia voalaza fa somary niala fiarabe iray somary nanara-tsisiny loatra ary namantana tany aminy ity ankizy ity. Izay toe-javatra izay no nahatonga azy nianjera tany amin’ny faritry ny lalam-by. Nentina novonjena haingana tany amin’ny hôpitaly moa ity farany. Efa teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy kosa ireo mpitandro filaminana. Sahanin’ny pôlisin’ny gara kosa ny fanadihadiana mahakasika ity loza nitranga ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Tena mampalahelo be izany, fa tsy niteny ianareo raha avotra ny ainy. Raha maty dia « paix à son âme ».
    Afaka mba asiana article manome vaovao ve ianareo @ manaraka.
    Responsabilité an’iza no engager @ izany? Ny fanjakana nanao ny lalana, tsy misy trottoir? Balise de sécurité?

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici