- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimahasoa : Mpivady maty nilatsaham-potaka, sivy hafa naratra

Ambohimahasoa : Mpivady maty nilatsaham-potaka, sivy hafa naratra

Namely ny varatra tao Ambohimahasoa ny harivan’ny alatsinainy teo. Fianakaviana iray, niisa teo amin’ny 11 teo no nilatsaham-potaka. Vokany, maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana sy ny vadiny. Naratra mafy kosa ny zanany sy ireo olona tao amin’io trano io.

Araka ny fampitam-baovao azo, nikija dia nikija ny orana tany an-toerana ny andron’ny alatsinainy teo ary mbola nitohy hatramin’ny omaly. Tamin’io tolakandron’ny voalohan’ny herinandro io dia narahin’ny firedrefotry ny varatra izany oram-be izany. Nilatsaka ary namoizana ain’olona roa be izao izany tao amin’ny fokontany Antoetra, kaominina Ampitana, distrikan’Ambohimahasoa. Tokantrano iray nisy olona 11 mianaka ity niharam-boina ity. Efa samy tao an-trano avokoa ireto olona ireto no nirefotra indray mandeha ny varatra ary niantefa tany amin’izy ireo. Ireo mpivady sy ny zanany iray amam-bolana no tena voa mafy. Tsy afa-niala-nenina akory moa ireto ray aman-dreniny fa avy hatrany dia may kilan’ity afo nilatsaka avy any an-danitra. Ilay zanany kosa, na dia naratra mafy azy dia mbola azon’ireo mpiara-monina novonjena tany amin’ny hôpitaly ihany ary tsy misy ahiana intsony ny toe-pahasalamany, araka ny vaovao voaray hatrany. Toraka izany ihany koa ireo olona hafa tao amin’ity fianakaviana ity miisa valo. Ireto farany izay saika nahazo fitsaboana avokoa ary efa nisy sasany nalefa nody aza.

Fa tao Miandrivazo ihany koa, vokatr’izay rotsak’orana narahim-baratra izany, ny harivan’ny alatsinainy teo dia trano iray no fantatra fa nilatsahan’izany ary may tanteraka. Soa ihany fa tsy nisy olona tao amin’izany trano izany, araka ny angom-baovao azo. Nifandrimbona, samy namono ny afo avokoa moa ny mpiray tanàna.

Nasiaka ny varatra ary efa maromaro ihany izay niharam-boina vokatr’izany tamin’ity taom-pahavaratra ity. Mila mitandrina foana araka izany ny tsirairay raha vao manomboka miraondraona ny orana. Ialana ny fivorivoriana, ny fandehanana eny an-tsaha, fialofana ambany hazo sy ireo zavatra avo mety hisintona varatra.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici