- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazomiriotra : Lehilahy iray maty voatrobaky ny lefona sy voakapa famaky

Ankazomiriotra : Lehilahy iray maty voatrobaky ny lefona sy voakapa famaky

Matetika itrangana vono olona   ao amin’ny koaminina Ankazomiriotra tato ho ato. Lehilahy iray mantsy no maty novelesina tamin’ny tavoahangy,  tamin’ny herinandro lasa teo. Olona tsy nanampo na inona na inona ity namoy ny ainy tampoka ity. Nipetrapetraka teo amoron-dalana izy no nisy lehilahy iray mamo nitondra tavoahangy ka nively azy tamin’izay teo amin’ny lohany. Tsy tana intsony ny ain’ity voavely tavohangy ity.  Fantatra moa fa efa manefa ny saziny any am-ponja amin’izao ilay nahavanon-doza. Fa ankoatra izany dia nisehoana fanafihana  tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohimanapotsy, fokontany Ankilana,  ao amin’ny kaominina Ankazomiriotra hatrany. Nahagaga ny fandehan’ny fanafihana fa tsy naka vola na entana,  na  zava-tsarobidy, ireo jiolahy fa dia namono tovolohy iray tao amin’ny tokontrano iray ihany no nataony. Tokony ho tamin’ny 12 alina no nanao amboletra niditra tao amin’ny tokantrano iray ny jiolahy manodidina ny 10 lahy, ny talata 14 oktobra lasa teo. Tsy nanaiky mora foana  ilay voatafika fa niezaka nanohitra. Tsy nahavita inona anefa nanoloana ny folo lahy. Nentin’ireo jiolahy nivoaka ny trano ny tovolahy  tokony ho 24 taona, zanaky ny voatafika. Notrobaran’ireo jiolahy tamin’ny lefona ilay tovolahy ary nokapainy tamin’ny famaky avy eo. Maty tsy tra-drano teo no ho eo izy, rehefa izany dia lasa ireo jiolahy. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana amin’izao fotoana, marihina fa misy olona ahiahian’ny fianakaviana nahavanona ity famonoana miampy herisetra ity.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser