- Publicité -
mardi, décembre 16, 2025
AccueilFaits-DiversMpivarotra rongony roa voasambotra

Mpivarotra rongony roa voasambotra

Lehilahy roa no voasambotry ny Polisy miady amin’ny zava-mahadomelina avy etsy Anosy tamin’ny talata 14 oktobra 2014. Teo ampivarotana rongony. Ny voalohany dia teny Bemasoandro Itaosy, tokony tamin’ny 1 ora antoandro. Tratra teo am-pivarotana rongony I R. Denis Pascal, 39 taona. Rehefa nosavaina teny aminy dia nahitana rongony 146 fonosana. Tamin’ny fanadihadiana azy dia niaiky izy fa mpivarotra, saingy tsy azy ireo rongony amidiny fa izany Papa izany no tompony. 5000 ariary isan’andro ny karamany mivarotra ireo rongony ary efa tapa-bolana no nanaovany izany asa ratsy izany. Tamin’ny fanadihadiana ihany koa dia nilaza izy fa 500 ariary no hamarotany ny fonosana rongony iray. Karohina i Papa amin’izao fotoana izao. Ny faharoa kosa dia teny Ambohimanatrika. Tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro no voasambotry ny polisy i R. Rivo Michel, na Ravazaha, 35 taona izay mpivarotra rongony. Tamin’ny fisavana no nahitana fonosana rongony miisa 30. Rehefa nohadiadiana izy dia nilaza fa mpivarotra rongony, ary izany Zefa izany, izay mipetraka any Ivato, no mpamatsy azy. 10.000 ariary no ividianany ny iray sachet ary tsinjarainy ho fonosana izany ka amidiny 500 Ariary ny iray. Marihana fa efa nigadra Ravazaha tamin’ny volana martsa lasa teo, noho ny resaka fivarotana rongony, kanefa izao tratra izao indray.

Omaly no natolotra ny fampanoavana izy ireo.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser