- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe - INSPNMAD : Hatao loha-laharana ny famonjena aina

Antsirabe – INSPNMAD : Hatao loha-laharana ny famonjena aina

Ataonay loha-laharana ny famonjena aina, izay afohezina amin’ny hoe « ALFA », anarana nisaloran’ireo andiany mpianatra nahavita fiofanana taoa min’ny INSPNMAD Antsirabe ary navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma faha-20 janoary lasa teo tao amin’ny FLM Antsisrabe Antampotanana. Miisa 77 mianadahy izy ireo no niaraka navoaka tamin’io fitoana io, misy ny mpitsabo mpanampy na « infirmier », misy koa ny mpampiteraka rehefa nahavita fiofanana nandritra ny telo taona ka notolorana « diplôme licence ». Afaka miatrika asa avy hatrany ireto mpiofana nahavita fiofanana ireto toy ireo tanora efa maro be nandalo tao amin’ny sekoly INSPNMAD sady misy ihany koa ireo lasa any ampitan-dranomasina. Araka ny fanazavan’i Rtoa Nomenjanahary Fenosoa Angeline Andrianiaina, “monitrice”-ny INSPNMAD Antsirabe dia hananganana « Kiné » ny sekoly ankoatra ny fampiofanana mpitsabo mpanampy sy mpampiteraka. Ankoatra ny fanolorana ny diplaoma ho an’ireo mpiofana rehetra dia nisy ihany koa ny fanomezana manokana ho an’ireo mpianatra mendrika indrindra. Efa anatin’ny fotoam-pianarana tanteraka kosa amin’izao fotoana ny andiany manaraka ao amin’ny INSPNMAD izay niditra ny volana novambra lasa teo.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici