Vehivavy lehibe iray no hita faty, manamorona ny barazy tetsy Mandroseza ny andron’ny alakamisy teo. Noheverina fa maty an-drano ity ramatoa ity, kanefa nampiahiahy ihany ny tsy fisian’ny akanjo ambony teny aminy, izay niboridana tanteraka ankoatry ny « soutien-gorge » sisa.
Ny tolakandro no hitan’ny fokonolona navalan’ny rano ny vatana mangatsiakan’ity vehivavy ity, izay tombanana ho manodidina ny 50 taona tany ho any. Nosarihan’ireo olona nahita tety an-tanety moa izany ary nampandrenesina ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Raha ny fahitàna ny razana, hoy ny fanazavan’ireto farany dia azo lazaina fa maty an-drano izy io, kanefa tsy maintsy misy ny fanadihadiana atao, hahafantarana na hoe maty an-drano tsotra ve izy io sa sanatria nisy namono. Somary nahavalalanina ny rehetra nanatri-maso ihany koa ny nahita ny razana, izay tsy nisy afa-tsy tati-nono hany monja no nanarona ny tapany ambony. Mety hoe nisy nanolana ve ? Tsy afaka tonga dia hilaza izany izahay, raha ny fanazavana nomen’ireo mpitandro filaminana hatrany fa tsy maintsy miandry ny autopsie ataon’ny tompon’andraikitra.
Raha ny voalaza hatrany dia heverina fa mety efa namoy ny ainy tany ho any ity ramatoa ity ary navalan’ny rano teo amin’io toerana io. Ny filazàn’ireo mpitsabo tonga nanao fitsirihana ny razana teny an-toerana rahateo nilaza fa efa ora maromaro ihany no nahafaty azy. Taorian’ireo fitsirihana isan-karazany moa dia nentina avy hatrany nihazo ny tranom-paty ny hôpitaly tetsy Ampefiloha moa ny vatana mangatsiakan’izany vehivavy izany.
m.L