- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Mirongatra ny halatra jiro mandeha amin’ny masoandro

Ambatomaro : Mirongatra ny halatra jiro mandeha amin’ny masoandro

Ilay zalahy mpangalatra jiro, voasambotra teny Ambatomaro.

Omaly, tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina tany ho any, tovolahy iray no tra-tehaky ny pôlisy mpanao fisafoana, teny amin’iny faritra Ambatomaro iny. Nampiahiahy tanteraka ny fihetsiny, ka nahatonga ireto mpitandro filaminana hisava azy. Hay vao avy nanao ny asa ratsiny ranamana.

Ny lalana efa ratsy, moa, manao ny ataony ihany koa ireo tontakely manao ny asa ratsiny eny Ambatomaro eny. Tato ho ato, niha-nirongatra ny halatra jiro mandeha amin’ny masoandro, izay natao hanazava ny tokontany, teny an-toerana. Efa tokatrano misimisy ihany no lasibatra tamin’izany. Raha ny hita dia manararaotra ny jiro tapaka nandritry ny alina sy ny ora-mikija, tato ho ato izay ireo olon-dratsy, ary maka ireo jiro eny an-tokontanin’olona. Ny iray tamin’izy ireny aloha no nifanena tamin’ny mpaka kitay, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo.

Raha ny fanazavana nomen’ny pôlisy dia manohy hatrany ny ezaka izy ireo amin’ny fiadiana amin’ity resaka tsy fandriampahalemana ity. Tsy mijanona fotsiny amin’ireo lalambe fa tena mitsirika tanteraka ireo elakelan-trano sy manao fisafoana tsy miato  ireo lalan-kely amin’ireny faritra voalaza fa mafana ireny. Nandritra ireny fisafoana ireny mihitsy no sendra nifanena tamin’ity tovolahy iray 27 taona izy ireo teny Ambatomaro, ireo pôlisy miasa etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo. Mazava ho azy, hafahafa tokoa izany olona milanja entana, miriaria amin’ny iray ora maraina izany. Natonina avy hatrany ingahirainy ary natao ny fisavàna. Anisan’ny tra-tehaka teny aminy ny jiro lehibe anankiroa, mandeha amin’ny herin’ny masoandro, niaraka tamin’ny fitsilovana na « torche » ary « pince » anankiroa. Tsy dia mazava loatra moa ny filazany tamin’ny fiavian’izany zavatra teny aminy izany, ka nentina avy hatrany nihazo ny kaomisaria tetsy Antaninandro ny lehilahy. Fantatra tamin’izay fa jiro avy nangalariny teny an-toerana izy ireo. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana moa ity farany, mandram-piandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici