- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversBehitsy Ambohimangakely : Mpandraharaha voatafika, lasa ny 50 tapitrisa ariary

Behitsy Ambohimangakely : Mpandraharaha voatafika, lasa ny 50 tapitrisa ariary

Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo, nitrangana fanafihana mitam-piadiana tetsy By pass. Tokatrano an’ny mpandraharaha iray tetsy Behitsy, Ambohimangakely no lasibatry ny andian-jiolahy mitam-piadiana, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny mpitandro filaminana. Naratra vokatr’izany fanafihana izany ny tompon-trano, ary lasa ny vola mitentina eo amin’ny 50 tapitrisa ariary, raha ny voalaza hatrany. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina teo no nitranga ny fanafihana, raha ny loharanom-baovao azo. Voalaza fa niditra an-keriny amin’ny varavarana ireo olon-dratsy izay niisa teo amin’ny enin-dahy teo ho eo. Nitondra basy ireo farany tamin’izany ary avy hatrany dia nanao amboletra niditra tao an-trano. Marihana fa manana ireny karazana mpiambina matihanina na « service de sécurité » ireny ity mpandraharaha ity saingy tsy nahasakana ireo olon-dratsy izany. Tamin’io fotoana io ihany koa, voalaza fa tsy nandeha ny « camera de surveillance ». Voafatotra tongotra aman-tanana izany mpiambina izany ary nodarohin’izy ireo sy noratrainy ny tompon-trano. Rehefa voafehin’izy ireo ny tao an-trano dia io norobainy io ny vola. Ankevitry ny efa fantampatatr’ireto olon-dratsy araka izany ny fisian’ny volabe tao amin’io trano io. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity tranga ity moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana. Raha ny angom-baovao azo mantsy dia tsy vao io no niharan’ny fanafihana tahak’izao ity mpandraharaha ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici