Anton-taratasy maro niaraka tamin’ny vola mitentina teo amin’ny 13 tapitrisa ariary teo ho eo, tao anatina « coffre fort » no lasan’ny mpangalatra tao amin’ny tokatrano iray teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny, niaraka tamin’ny fitaovana maromaro tao an-trano. Raha ny voalaza dia mpiasa tao amin’ity toerana ity ihany no nahavita ny heloka.
Niroso tamin’ny fikarohana ire olon-dratsy ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely ary niafara tamin’ny fisamborana ireo tompon’antoka izany. Raha ny fampitam-baovao azo dia ny zoma teo no fantatra sy hita ny toerana niafenan’ny iray tamin’ireo olon-dratsy, ati-doha nikotrika ilay halatra. Voasambotra tao Antananarivokely Tsinjoarivo, distrikan’Ambatolampy izany olona izany, niaraka tamin’ny sakaizany. Narahan’ny fisamborana ny namany hafa, tany Ivato Centre, distrikan’Ambositra. Tsy niandry ela ihany koa dia hita ireo mpiray tendro tamin’izy ireo, teny 67ha sy tetsy Andavamamba. Tra-tehaka tany amin’ireto olon-dratsy ireto moa ireo fitaovana sasantsany nangalariny tao amin’ilay tokatrano. Ilay vola kosa, tsy nisy afa-tsy valo hetsy ariary sisa ambiny, tamin’ilay 13 tapitrisa ariary lasan’izy ireo ary efa naverina tamin’ny tompony. Dimy mianadahy aloha izany hatreto no voasambotra ary mbola manohy ny fikarohana ireo namany hafa ny zandary. Omaly moa izy ireo natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary samy nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa.
m.L