- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversRongony : Notaterina tamin’ny taxi-brousse

Rongony : Notaterina tamin’ny taxi-brousse

Rongony milanja 21 kilao sy toaka gasy miisa 6 “bidons” ary ravim-paraky milanja 60 kilao. Ireo no indray sarona tao anatin’ny taxi-brousse iray mitondr any marika Sprinter. Mampitohy ny RN6 izay mipaka hatrany Port-Bérgé ity fiara fitateram-bahoaka ity. Raha ny marina dia entina hanafenana ny asaratsy fotsiny ilay izy taxi-brousse fa kosa ny ao ambadik’izany dia fitaterana zava-mahadomelina. “Lehilahy miisa telo, 23 sy 31 ary 58 taona no voasambotry ny Polisy ny faran’ny volana janoary teo, tao Port-Bergé, rehefa sarona nitondra rongony sy toaka gasy” raha araka ny fanamarihan’ny polisy avy any an-toerana. Notsipihan’izy ireo fa teo amin’ny sakana nataon’ny polisy teo amin’ny tanàna antsoina hoe Andrimbavontsona no nahatratrarana ireo olon-dratsy izay nosamborina ka notazomina any amin’ny biraon’ny polisy. “Rangahy 31 taona no tena tao ambadik’ilay izay nitondra ireo zava-mahadomelina ireo miaraka amin’ny soafera sy ny soafera mpanampy nitondra ilay taxi-brousse”, raha arak any fanampim-baovao mahakasika ity raharaha ity ihany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici