Anio no voalazan’ny taratasy fampiantsoana, hanatonan’ilay mpampianatra fanatanjahan-tena ao amin’ny Lisea Andohalo eny anivon’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalàna. Ilay mpampianatra izay notoriana noho ny resaka fahaverezam-pinday lafo vidy iray, marika Iphone 11, an’ny mpianatra, nandritra ny taranja nampianariny.
Raha ny zava-nisy dia voalaza fa very nandritra ny taranja fanatanjahan-tena nosahanin’izany mpampianatra izany ny findain’ilay ankizy, ny talata lasa teo. Araka ny fanazavana nentin’ny mpiara-miasa taminy dia tsy nisy akory fitairanana nataon’ity mpianatra ity teo anivon’ny tompon’andraikitry ny sekoly. Izany hoe tsy nahalala na inona na inona izy ireo. Ny zoma lasa teo, fampiantsoana ho any amin’ny biraon’ny pôlisy avy hatrany no azon’ilay madama, izay voalaza fa fitoriana mahakasika izany toe-javatra izany no antony. Tsy izy irery anefa fa nisy mpianatra telo hafa ihany koa, raha ny voalazany hatrany tao anaty tambajotra sosialy.
Mazava anefa ny fitsipiky ny sekoly ary tsy tokony ho tompon’andraikitra amin’ny fahaverezana na ny mpampianatra na ny sekoly. Nanamafy ary hentitra amin’izany rahateo ny Ministry ny fanabeazam-pirenena, Rtoa Sahondrarimalala Marie Michèle. « Ny diso voalohany dia ianao ray aman-dreniny, ny diso faharoa dia ianao mpianatra izay nandika ny fitsipika mipetraka ao an-tsekoly (…) Aleo ho samy tompon’andraikitra amin’ny ataony (…) » hoy izy. Milaza ny hanohana ary hanaraka hatramin’ny farany ity raharaha ity moa ny tenany. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ity raharaha …
m.L