Ben’ny tanàna miisa 25 miaraka amin’ny mpanolotsainy sy ny sefo fokontaniny avy no tonga tao Tsiroanomandidy omaly. Tsy vitan’izay fa tonga nanotrona koa ny fikambanana marobe izay solon-tenam-paritra. Isan’izany ny fikambanana foko 18. Tao koa ny fikambanam-behivavy samihafa. Ireo rehetra ireo dia tonga niarahaba ny fahatratrarana ny taom-baovao ny governoran’ny faritra Bongolava. Lanonam-be ny notontosaina teo an-tokotanin’ny biraon’ny governora ary tao anatin’izany koa no nivoaka tamin’ny fahanginany ireo ben’ny tanàna maro eo anivon’ny faritra. Nitondra teny ny ben’ny tanànan’i Bemahatazana, Ramaroson Mbolatiana : « Roa toana sy dimy volana monja izy no teo ary tsy mena-mitaha amin’ny governora hafa. Isaoranay ny Filoham-pirenena ny nanendrena azy. Olona mahay mamondrona ary nampiray ny distrika roa, dia i Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe. Novitainy rahateo ny làlana mampitohy an’ireo ary vita adiny telo monja ankehitriny». Io Ben’ny tanàna io dia efa 16 taona no voafidy ary nahita izay mpitondra nifandimby teo amin’ny faritra. Notohizany fa tsy eken’ny ben’ny tanàna 25 mandrafitra ny distrika roa ny fanozongozonana ny governoram-paritra misy azy ireo. « Aoka izay ny fanakaramana olona mba hanakorontana. Olona miasa ary azo tsapain-tanana ny zava-bitany. Raha tena misy toetra tsara dia ny fanampiana azy amin’ny fampandrosoana, satria Bongolava mandroso no tanjona», hoy hatrany ity filoha sady mpitondra tenin’ny fikambanan’ny ben’ny tanàna ity. Raha ny fanazavan’ny ben’ny tanànan’Ankadinondry Sakay, Ramananjarivo, dia 25 amin’ny 30 ny ben’ny tanàna miara-dia amin’ny governora ankehitriny. «Tsy ny olona no miady fa ny hevitra no tsy mitovy. Izahay dia nisafidy ny hanohana ny olona vonona hitondra fampandrosoana ary izay no niantefan’ny safidinay hanohana ny governora », hy ny fanazavan’ity ben’ny tanàna ity. Ho an’ny governora indray dia afa-po amin’ny zava-bita ny tenany. «Izaho no anisan’ny governora voatendry farany. Roa taona sy dimy volana aho izay no nitondra fa tsy efa-taona toy ny sasany. Hopitaly, làlana, biraom-panjakana, tsena ary hafa maro koa. Izany no fotodrafitrasa efa azo tsapain-tànana ary hita maso. Tsy misy fiangarana ho an’ny kaominina rehetra tao anatin’izany. Mbola mitohy hatrany ny asa ary izany rehetra izany dia araka ny vinan’ny Filoham-pirenena mahakasika ny fampandrosoana», hoy hatrany io farany izay nanazava koa fa ao anatin’ny fijerena ifotony izay mety handravonana sy hampiraisana kokoa ny tompon’andraikitra rehetra, ao anatin’ny fifampiresahana, mba hanohizana ny fampandrosoana.
D.R