- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFonjan’ny Vatomandry : Tafavoaka miriaria eren’ny tanàna ny nahavavon-doza

Fonjan’ny Vatomandry : Tafavoaka miriaria eren’ny tanàna ny nahavavon-doza

Hagagana ny an’ireo niharam-boina tamin’ny zavatra nataony ity tovolahy ity, fa miriaria eran’ny tanànan’i Vatomandry ny tenany amin’izao, afaka mamonjy karaoke sy trano fisotroana ; ary raha ny fantatra aza dia mbola manao fandrahonana an’ireo fianakaviana efa niharan’ny fanafihana indray ny iray tamin’ireo nahavanon-doza, ary fantatra fa tena atidoha tamin’ilay fanafihana mpandraharaha.

Manahy ny fisian’ny kolikoly avo lenta amin’izao raharaha izao sy hisian’ny valifaty atao amin’ity fianakaviana ireto mpitaraina ireto. Raha ny fantatra mantsy dia tohin’ilay raharaha fanafihana mpandraharaha ny 6 desambra 2022 teo izy ity, ka teny amin’ny lalana mampitohy an’i Mahanoro sy Marolambo, 42km miala ny Mahanoro, no nitrangany fanafihana. Nosakanan’ireo jiolahy tamin’ny tady ny lalana satria môtô no nandehan’ilay olona voatafika tamin’io. Vokany fira antsy avy hatrany no nahazo ilay mpandraharaha ka lasan’ireo jiolahy ny vola 80 tapitrisa ariary tamin’izay. Naratra mafy ilay mpandraharaha noho ilay fira antsy nahazo azy nefa tsy nisy niraharaha. Nitory teo anivon’ny borigady ny zandary ao Masomeloka ilay mpandraharaha naratra be, ka nanomboka avy hatrany ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Voasambotra tamin’io andro io ihany ny iray tamin’ireo jiolahy nanao ny fanafihana, ka izy indray avy eo no nanoro ny namany  efatra andro tato aoriana. Olona enina no voasambotra tamin’izao raharaha fanafihana volana mpandraharaha izao, ka efa nampidirina am-ponja vonjy maika tao amin’ny fonjan’ny Vatomandry taoriany fiakarany fampanoavana. Akory anefa ny hagagan’ilay mpandraharaha nangalaran’izy ireo vola be ity sy ny fianakaviany, fa miriaria ao an-tampon-tanàna ao Vatomandry ireto olona MD. Nilaza ny mpandraharaha iray Razafindrakoto Benoit Alfred, fa velon-taraina ireo mpandraharaha niharan’ity fanafihana ity, ary misy kolikoly avo lenta ao ambadika izao, matahotra ny mety hisian’ny valifaty ireto mpandraharaha ireto vokatra izany.

Raha tafaresaka tamin’ny mpisolovava Me Miadana Ratsimba koa izahay dia nilaza ny tenany fa ny lehiben’ny fonja ao Vatomandry no tompo-marika amin’izao, ka milaza mandray andraikitra tanteraka amin’ny fifehezana ireo voafonja ny tenany. Voalaza moa fa manana taratasy ara-dalana manambara ny tsy fahasalamany ny gadra afaka mivoaka toy izao hoy ny fanazavany lehiben’ny fonja Vatomandry.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici