- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRanomafana RN25 : Taxi-brousse nifatratra tany amin’ny kamiao, namono olona

Ranomafana RN25 : Taxi-brousse nifatratra tany amin’ny kamiao, namono olona

Valo tamin’ireo mpandeha 12 tao anatin’ity fiara taxi-brousse no naratra ary voatery naiditra hôpitaly. Maty teny an-dalana kosa ny mpamily izay tena voa mafy tokoa tao anatin’izay lozam-pifamoivoizana izany.

Ny harivan’ny alahady teo dia nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tamin’iny lalam-pirenena faha-25 iny, teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambalamahasoa, fokontany Ambatolahy, kaominina Ranomafana. « Taxi-brousse sprinter » iray, handeha hihazo an’i Vaingaindrano, avy aty Antananarivo no niharan-doza, teo amin’io toerana io, rehefa nilaozan’ny hisatra tamin’iny lalana fidinana iny. Tsy voatana intsony araka izany ny familiana ary nifatratra teny amina fiarabe iray, teo alohany izy. Ity farany izay hizotra ho any Mananjary. Mafy dia mafy ny fifandonana satria dia nikarepoka tanteraka ny lohan’ilay « sprinter ». Tavela tao ary tapaka tarangana ny tongotry ny mpamily. Naratra toraka izay ihany koa ny olona teo akaiky sy mpandeha hafa taoriana, ary nisy tamin’izy ireo mihitsy aza no tsy nahatsiaro tena intsony, vokatr’izy ratra izay. Samy nanao izy ho afany tamin’ny famonjena ity fiara tra-doza ity avokoa moa ireo nanatri-maso, nampian’ny teo anivon’ny zandary, avy ao amin’ny tobim-paritra Ranomafana. Noezahina nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana teo an-toerana. Nisy tamin’ireo tena voa mafy no voatery nalefa tany amin’ny hôpitalin’ny distrika tany Ifanadiana, ary anisan’izany ilay mpamily. Ity farany, izay tsy avotra intsony moa, noho ny haben’ny ratra nahazo azy, na dia teo aza ny famonjen’ireo mpitsabo. Ireo naratra hafa kosa dia mbola manaraka fitsaboana eny anivon’ny tobim-pahasalamana, raha ny fampitam-baovao azo. Efa nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity moa ny teo anivon’ny zandary ao Ranomafana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici