- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversVoatifitra tany Behenjy : Nosamborina tao amin’ny hopitaly teto Tanà

Voatifitra tany Behenjy : Nosamborina tao amin’ny hopitaly teto Tanà

Nifampitifitra ny zandary sy ny jiolahy tany ambanivohitr’i Behenjy. Maty tsy tsa-drano ny iray tamin’ireo olon-dratsy raha tafaporitsaka kosa ny ambiny. Rehefa narahina ny dian’izy ireo dia hita ny akanjo mihosin-drà. Na izany aza anefa dia tsy hita tao anatin’ny haizina izay nanjavonan’ireo jiolahy izay vao avy nanafika. Omaly kosa dia nitohy ny fanangonam-baovao nataon’ny zandary misahana ny faritr’i Vakinankaratra. Fantatra ny fisian’ny olona mampiahiahy izay nitsabo tena tao amin’ny hopitaly iray teto an-drenivohitra. Rehefa izany dia natao ny fanamarinana ary tena tao tokoa ilay jiolahy izay noraisim-potsiny. Tsy afa-niala tao amin’ny hopitaly izy noho ny fahavoazany izay mila manao « pansement » matetika. Amin’ny maha-olona dia notohizana ihany ny fitsaboana azy ary efa nanomboka ny fanadihadiana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici