- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Tovolahy nanafika tranona pôlisy

Anosy : Tovolahy nanafika tranona pôlisy

Izany tokoa ny hoe teny am-baravaran’ny mpamosavy no nanoko sikidy fa efa sasatry ny niaina ity tovolahy iray ity. Noraisim-potsiny teo an-tokontanin’ny tokatrano iray ana « inspecteur de police » ranamana, ny marain’ny sabotsy lasa teo, saika handroba tao amin’izany trano izany. Araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any no nahare olona nikoropaka teo an-tokontany ny tompon-trano. « Tovolahy iray 18 taona no nihanika tamboho Teo amin’ny Trano iray teny Anosy akaikin’ny « restaurant Ny Maraina » tokony ho tamin’ny 02 Ora sy 50 minitra. « Inspecteur de police » iray no monina tao amin’ity trano ity ka niantso avy hatrany ny polisy miasa tao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy, rehefa naheno olona tafiditra tao anatin’iny tokontaniny ». Tsy lavitra teo tokoa moa dia pôlisy miasa sy manao fisafoana, ka tsy ela dia tonga nanohina ny antso ireo namany. Tra-tehaka ary tsy afaka nandositra intsony, teo an-tokotany ilay tovolahy. « Efa tafavoakany tany ivelany ny biskileta iray » hoy hatrany ny vaovao. Tsy nisy alaharo alaharo moa fa avy hatrany dia nentina nihazo ny kaomisaria ingahirainy ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy, mandram-piandry ny fotoana hitondrana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici